<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>L. Mason</author>
<title>Ny hazo fijalianao FFPM108</title>
<lyrics>[V1]
 Ny hazo-fijalianao,
 Ry Jeso Tompo maminay,
 Dia an'izao tontolo izao
 Ka famonjena ho anay.

[V2]
 Mivelatra eo ka hitanay
 Izany fitiavana ;
 Ka ampianaro izahay
 Ho be fitia toa Anao !

[V3]
 He ! latsaka eo ho avotray
 Ny ranao masina sy soa ;
 Ka mba sasao re izahay
 Ho olonao madio tokoa !

[V4]
 Voatolotra eo mba ho anay
 Ny famonjena vitanao ;
 Ka mba tariho izahay
 Handray ny fahasoavanao.

[V5]
 Mamiratra eo ka tazanay
 Ny lanitra fonenanao ;
 Ka mba tantano izahay
 Ho mendrika ho mponina ao !

[V6]
 Ndrey, tena mahafinaritra
 Ny miara-monina aminao ;
 Ka ampio izahay hiaritra
 Ny hazo-fijalianao.</lyrics>
<hymn_number>108</hymn_number>
</song>